Fifampiarahabana tratry ny taona 2025 Teraka RASOANATOANDRO

  • Mankasitra indrindra tamin’ny fiaraha-mientana izay nataontsika tamin’ny fandraisana ny Teraka Rasoanatoandro tamin’ny 8 février 2025 tao @ Yandy ByPass. 
  • Tsy nitsanga-menatra isika TERAFERAME satria nampiseho firaisan-kina sy fifankatiavana. Heni-kaja sy heni-boninahitra ny fikambanatsika TERAFERAME tamin’ny fikarakarana ny lanonana rehetra.
  • Misaotra indrindra tamin’ireo tolo-tanana, toro-hevitra, fiaraha-miasa sy fanentanana. 
  • Tsara ny fety ary niangavy ireo nasaina mba hampita amintsika mianakavy rehetra ny fisaorana tamin’ny fandraisana. 
  • 135 isika no tonga nanatrika ny fotoana.
  • Tsy azo sary daholo ny olona rehetra satria nisy ny nandeha mialoha noho ny fotoana izay mifanindry, nisy ny nanao piscine teo ivelan’ny trano satria nafana ny andro.
  • Misaotra anareo any ivelany Mcar niditra mivantana t@ Zoom.
  • Misaotra an’i Christian nitondra ny teny ho anareo izay monina any an-dafy any. Faly ny fianakaviana nahita an’i Tonton Richard be mivady teo amin’ny Zoom.
  • Efa vonona ny sary rehetra. Tsy ho ela dia ho vita ihany koa ny vidéo. Hozaraina amin’ny fetintsika tsy ho ela sy hotahirizina amin’ny boky fahatsiarovana izany
  • Betsaka ny fihetsem-po tamin’iny fotoana iny fa dia fehezina amin’ny teny hoe : « Ô ry velona tsarovy fa mandalo ny andronao ». 
  • Mametraka ny veloma. 

Ny birao.